Maintirano, Faritra Melaky
Fihaonana teo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Melaky sy ny orinasa Sogediproma
Tontosa ny faha 08 Marsa 2025, ny fihaonana teo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Melaky sy ny orinasa #Sogediproma izay natrehin’ny Filoha lefitry ny « Plateforme Régionale » ny mpanjono madinika ao Melaky.
Nodinihana tao ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny fametrahana toerana fanangonam-bokatra sy « chambre froide ». Noresahan ihany koa ny fomba hanampiana an’ireo mpanjono madinika eny an-toerana amin’ny fampitaovan’azy ireo hampandroso ny fihariana jono.
Mbola hisy ny fidinan’ny solotena avy ao amin’ny orinasa hamaritra ny toerana hametrahana ny « chambre froide » ao amin ‘ny Faritra.