Manatantely, Kaominina Soanierana, Distrikan’ny Tolagnaro, Faritra Anôsy
Fitsidihana Fiompiana trondro « intensif en circuit fermé »
Toeram-piompiana trondro iray ao Manatantely, Kaominina Soanierana, Distrikan’i Tolagnaro, no efa miditra amin’ny sehatra matianina amin’izao fotoana izao ary mampiasa ny fomba fiompiana « intensif en circuit fermé » na fomba fiompiana trondro manana hakitroka ambony ary misy fanadiovan-drano manonkana ka tsy mampiasa rano avy ivelany intsony. Tonga nitsidika ny toerana ny avy eo anivon’ny DRPEB Anôsy ny faha 15 Febroary 2025.
Marihana fa efa maherin’ny roa taona izao no nitsanganan’ity toeram-piompiana trondro ity ary Tilapia 8 000 isa no ompiana anaty dobo « hors sol » vita amina simenitra miisa 04. Ny Fikambanana Tanamaintso izay tarihin-dRtoa Lova no mitantana azy.
Ity fomba fiompiana fia iray ity dia anisan’ny mamaha olana ary manampy amin’ny fiompiana trondro an-tanana ka manoloana izany indrindra dia nisy ny fanomezana toromarika ho fanatsarana isan-karazany toy ny rano izay hita fa maintso loatra.