Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Mindelo, Cap Vert
Fivoriana faha 04 ny vovonan’ireo Nosy madinika sy/na andalam-pandrosoana Afrikaninana na SIDS, momba ny jono

Notanterahina tao amin’ny Hôtel Ouril tao Mindelo ny faha 06 ka hatramin’ny faha 08 Marsa 2025, izay nosokafan’ Atoa « Ministre de la mer Cap Vert », tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana.
Saika nahatonga solotena avokoa ireo Nosy mpikambana ka anisan’izany Seychelles, Comores, Sao Tomé et Principe, Cabo Verde ary Madagasikara. Tonga nanotrona izany ihany koa ny #FiTI.
Ny tanjona dia ny hananan’ireo Nosy rehetra ato Afrika « FEO TOKANA » hiarovana ireo harena anaty rano ananan’izy ireo ka ahafahany misitraka feno ny tombotsoa avy amin’izany ho fampandrosoana ny fireneny tsirairay avy.
Nadritra izany, dia navaozina ny birao hitantanana ny vovonana ny roa taona manaraka. Taorian’ny Seychelles dia tapaka fa i Cap Vert no Filoha ary Comores kosa no Filoha lefitra ; nifampizarana ireo paikady momba fampandrosoana ny sehatry ny Jono sy ny Fampamokarana ny e manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro ; nitsidika toerana azo atao modely toy ny « Station crevetticulture artisanale » izay tantanin’olontsotra, sy ny toerana famokarana zanatrondron-dranomasina « Thon » antsoina hoe « NORTUNA » ary ny « Complexe de Pêche », ireo izay tonga nivory.
Solotenan’ ny plateforme SIDS eo anivon’ny « Aquaculture Network of Afrika (ANAF)» ihany koa ny MPEB ka nizara ny paikady sy ireo drafitrasa voavolavola teo anivon’izany Tambazotra izany ho modely mba hanatsarana ny an’ity Vovonana SIDS ity.
Tsiahivina fa natsangana ny taona 2022 tao Seychelles ity Vononana #SIDS momba ny Jono sy Fampamokarana Anatirano ity ary ny Vondrona Afrikana amin’ny alalan’ny AU-IBAR no manao ny tantsoroka ara-teknika sy ara-bola amin’izany.