Nosy Be, Faritra Diana
Fampiofanana ny CCS sy ny KMD ao amin’ny Faritra Arovana AMP Ankivonjy
Notontosaina manomboka ny faha 26 May 2025 hatramin’ny faha 28 May 2025 ao Nosy Be Hell ville ny fiofanana ireo CCS miisa 27 sy KMD miisa 15 avy amin’ny Faritra Arovana Ankivonjy, Kaominina Ambanivohitra Bemanevika Ouest Distrika Ambanja, Faritra Diana.
Mahakasika ny fiarovana ny harena voajanahary na antanety na anaty rano ny fiofanana, izay notronon’ny Lehiben’ny Distrika Ambanja , Ben’ny Tanàna Bemanevika Ouest, ny #CirPEB_Ambanja, ny avy ao amin’ny Cantonnement Ambanja, ny avy ao amin’ny #CSP Mahajanga sy Nosy Be, ny Zandarimariam-pirenena avy ao Berambo.