Nosy Be, Faritra DIANA
Fanamafisana ny ady amin’ny Jono INN.
Efa tafaverina avokoa ireo « Inspecteurs des pêches » miisa 5 an’ireo Nosy mpikambana ato amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana rehefa avy namita asa fisafoana ny jono tato anatin’ny fari-dranomasina niaraka tamin’ny sambo mpanara-maso ny Jono. Anisany nentina nanatanteraka izany asa fisafoana izany ny Sambo Telonify an’i CSP Mahajanga izay efa nahavita mialoha raha ny 11 Mey 2025 kosa nahavita izany ny sambo mpanaramaso frantsay OSIRIS II.
Seychellois miisa 2, Kaomoriana miisa 2, Maorisiana 1 ary Malagasy 1 ireo avy namita iraka ireo niaraka tami-drizareo tompon-tsambo izay naharitra 20 andro. Miisa 11 ireo sambo nanaovana fisavana tato anaty ny fari-dranomasin’i Madagasikara: « 6 chalutiers », « 2 ligneurs », « 1 senneur », « 1 collecteur » ary « 1 navire fileyeur ».
Iray no fandikan-dalana tratra, dia fanjonoana tsy nahazo alalana ho an’ny sambo mpanjono salantsalany malagasy izay nampiasa harato 30 x 100 m. Fehiny dia azo lazaina fa tena nihena ny tahan’ny Jono INN tato amin’ny Fari-dranomasin’i Madagasikara nandritra ny fisafoana izay natao.