Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

NOSY FALY , AMBANJA , FARITRA DIANA
VONDRON’NY MPANJONO ATY AMIN’NY TAPANY AVARATRY NY NOSY : VONONA NY HIFANOME TANANA HISIAN’NY FITANTANANA MAHARITRA

Nanantateraka #fifampizarana sy #fifanakalozan_kevitra niarahan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ireo Filohan’ny fikambanan’ny mpanjono miisa 30 aty amin’ny Faritry Diana izay miara-miasa amin’ny #TetikasaReSea izay tantanin’ny #UICN.
Hampiofanina izy ireo hisian’ny fahaiza-mitarika eny anivon’ny fiaraha-monina indrindra ny fiaraha-monin’ny mpanjono . Ankoatr’izay Dia anisan’ny nomen’ireo mpanjono fitokisana izy ireo ka Mila mahafehy izany hai-tarika izany indrindra amin’ny Fiarovana ny tontolo an-dranomasina sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary anaty ranomasina mba ho Lovain-jafy.
Anisan’ny nampatsiahivan’A/toa Minisitra ny Maha zava-dehibe ny fanajana ireo lalàna mifehy ny Jono eto Madagasikara, ny fanajana ny fitaovam-panjonoana rehetra , ny antony ihany koa mampihena ny vokatra ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro, ireo dina isan-karazany hanatsarana ny tontolon’ny fanjonoana,
Nisy ihany koa ny fametrahana ireo fanontaniana izay manitikitika azy ireo amin’ny mahakasika ny asan’ny Ministera sy ny andrasan’ny Ministera amin’izy ireo .
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru