Nosy Fiji
Fifampizarana traikefa sy paikady ho an’ny fiarovana ny fari-dranomasina
Firenena Afrikanina miisa dimy no nitsidika an’i Nosy Fiji ny 4 hatramin’ny 8 mey lasa teo. Anisan’izany i Madagasikara. Anisan’ny tanjon’izy ireo ny hahafantatra ny fomba fiarovan’ny mponina any Fiji ny ranomasina sy ny harena anaty rano.
Anisan’ny tetikasa « Fari-dranomasina Lehibe » na « Grand Paysage Marin » io fitsidihana io, izay mikendry ny fitantanana maharitra ny fari-dranomasina. Izy io dia hanampy ny mponina hiaina sy hivelona amin’ny harena an-dranomasina nefa manaja sy miaro azy ihany koa. Tanjona iray koa ny hahatratrarana ny vinan’ny Rindrina Manga Lehibe : ny fiarovana 30%-n’ny ranomasina amin’ny taona 2030.
Nitsidika tanàna, nifampizara traikefa sy nanomana Volavolan-Tari-dalana ho an’ny firenena tsirairay izy ireo. Ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga, Rado Rakotosoa, no nitarika ny delegasiona malagasy.
Marihina fa notohanan’ny Conservation International, ny UICN ary ny Mission Inclusion Canada ity fitsidihana ity.