Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

ONIVERSITE ANDRAINJATO FIANARANTSOA , FARITRA MATSIATRA AMBONY
FIFAMPIZARANA NIARAHANA TAMIN’A/TOA MINISITRA

Ny resaka #hay_tarika sy ny mahakasika ny tontolon’ny #Toekarena_Manga no nifampizarana niarahana tamin’ireo mpianatra maro Teto amin’ny Oniversiten’ny Fianarantsoa androany. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nitarika izany izay nentiny nanamafisana ny Tombotsoa entin’ny Toekarena Manga na ho an’ny isam-batan’olona na ho an’ny Madagasikara manontolo.
Ankoatr’izay dia ny fampahafantarana ireo mpianatra ny atao hoe hay tarika ahafahan’izy ireo mandray an-tanana sy mamolavola sahady ny ho avin’izy ireo satria miankina amin’izy tenany ihany no hampandroso na tsia azy eo lafim-piainana rehetra.
Tonga maro be ireo mpianatra Ary nomena sehatra manokana amin’ny alalan’ ny fametrahana fanontaniana izay manitikitika azy ireo.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru