Soanierana Ivongo, Faritra Analanjirofo
Fampitaovana ireo mpanjono
Tontosa ny faha 15 Marsa 2025, ny fampitaovana ireo mpanjono ka Fikambanana miisa 14 avy amin’ny Kaominina miisa 05 anatin’ny Distrikan’ny Fenerivo Atsinanana sy Soanierana no notolorana fitaovana tao Soanierana Ivongo.
« Moteur hors-bord » 9,9 Yamaha miisa 02, « Kit solaire » miisa 02, « Bouet couronne » miisa 02, salotra vonjy aina miisa 10, « Congélateur électrique » miisa 11, « Glacière » 25 kg miisa 106, fandanjana miisa 26, arato 6 kg 4 « doigts » miisa 45, « Fut » miisa 06, no fitaovana azon’ireo mpisitraka.
Mbola hisy ny trano fampangatsiahana na « Chambre Froide » ho an’ i Soanierana Ivongo, amin’ny alalan’ny Fandaharanasa #AFAFI_Nord izay Vatsian’ny Vondrona Erôpeanina Vola. 90 andro ny Faharetan’ny asa izay ahitana famokarana « Bloc de Glace » 30 T isan’andro.
Ho avy ihany koa ny lakana vita « en fibre de verre » sy « cogélateur » mandea amin’ny hery ny masoandro.
Ny tanjona dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo ka manantena fa ho tratra izany tanjona izany amin’izao fahazahona tohana ara-pitaovana izao.