SYSTÈME D’ALERTE PRÉCOCE
FANJONOANA LAVITRY NY LOZA NO TANJONA
Taorian’ny Faritra Androy sy Anôsy dia eto amin’ny Faritra Atsimo andrefana indray no nanantaterahina ny Atrikasa mahakasika ny fampahafantarana an’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny ranomasina momban’ireo fahaiza-manao sy ireo fitsipika rehetra noraisin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ahafahana mampisy izany fanjonoana tsy misy loza izany eto Madagasikara.
Marihina fa i Madagasikara dia anisan’ny Nosy lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro izay mitarika ny fahabetsahan’ny rivotra sy rivodoza Ary indrindra ny tsioka Atsimo izay matetika mandalo ato amin’ny Faritra Atsimo andrefana raha nambaran’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Miha-malemy arak’izany ny fahafahan’ireo mponina miatrika izany indrindra ireo mpanjono ka zava-dehibe ny fanamafisana ny fampahafantarana misimisy kokoa azy ireo mikasika ny #Systeme_d_Alerte_Précose (SAP)

Izay no mahatongan’ny hery velona rehetra ato amin’ny Faritra Atsimo andrefana izay Mifanome tanana amin’ny ahafahana manamafy ny fiarovantenan’ireo mpanjono.
Ezahina ho aparitaka amin’ny Faritra rehetra amoron-dranomasina izao hetsika izao izay Hisaorana an’ny Tetikasa MIONJO amin’ny fanohanana rehetra.