Toamasina, Faritra Atsinanana
Akon’ny fampiroboroboana ny asa Manga
Ho famporisihana ireo mpandray anjara miisa 57 tonga nanatrika ny fampiofanana fiompiana trondro an-dobo tao amin’ny efitrano malalaky ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atsinanana, ny faha 30 May 2025, mba hiditra lalindalina sy hanohy ary hampiatra ny fiofanana noharatovina dia nampanantena ny hanome zanatrondro mamaim-poana hoan’ireo telo voalohany mahavita dobo aorian’izao fiofanana izao ny Fitaleavana.