TOLAGNARO, FARITRA ANOSY
Nanantateraka fidinana ifotony taorian’ny Fandalovan’ny rivodoza ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, A/toa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert
Tongasoa eto TOLAGNARO, FARITRA ANOSY A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert hanantateraka fidinana ifotony taorian’ny Fandalovan’ny rivodoza
nandalo tato amin’ny Faritra Anôsy sy Androy satria miray fo amin’ireo traboina ny tenany amin’ny maha samy malagasy antsika mila mifanampy ary mifanohana araky ny hafatra napetraky ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry RAJOELINA.

Ankoatr’izay hanao ny fidinana ifotony niarahana amin’ny #Tetikasa_MIONJO izay Tetikasa miara-miasa akaiky amin’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny Jono aty amin’ny Faritra Androy-Anôsy ,
Hisy ihany koa ny atrikasa mahakasika ireo « système d’alerte précoce » ao Ambovombe sy Tolagnaro , hanao ny jeritodika rehetra Hisorohana ny loza rehetra tsy hiverina intsony nandritra ny Andro ratsy Ary farany hijery ireo asan’ny MPEB aty ifotony .
Haharitra dimy Andro ny diany aty amin’ny Faritra Androy sy Anôsy .