Toliara, Faritra Atsimo Andrefana :
Fivoriana fanomanana ny « Forum des jeunes africains sur l’Économie Bleue » na « Fivoriam-ben’ny tanora Afrikana momban’ny Toekarena Manga »
Araka ny tapaka nandritran’ny filan-kevitrin’ny minisitra ny faha 18 Desambra 2024 lasa teo dia nankatoavina ny handraisana ny « Forum des jeunes africains sur l’Économie Bleue » na « Fivoriam-ben’ny tanora Afrikana momban’ny Toekarena Manga », ny faha 17-19 Aprily 2025 ho avy izao eto Madagasikara.
Arak’izany dia nanatanteraka fivoriana savaranonando ho fampahafantarana sy fanentanana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fanomanana sy fanatanterahana izany fihaonana izany ny « Cluster Économie Bleue » notarihan’Atoa Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, niarahana tamin’ireo avy any ivelany tamin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra (en ligne).
- Mpisehatra miisa 500 no antenaina ho avy amin’ity fihaonam-be faha-02 taorian’ny Lomé ity ka 300 amin’izany no hoavy avy any ivelany.
- Voaresaka nandritra izany fivoriana izany ny :
- Fitaterana an’ahabakabaka ireo tanora 300 avy any ivelany,
- Fitaterana an-tanety,
- Fampiantranoana sy fampisakafoanana azy ireo,
- Efitrano sy toerana malalaka hivoriana.
- Nahavelom-bolo fa samy nandray anjara mavitrika sy naneho ny fahavononany amin’ny soso-kevitra hanatrarana ny tanjona ny mpisehatra tonga tao ka anisan’ny voalaza tao koa ny fanatsarana (fanadiovana, fampihaingoana, fanazavana, fanamboarana lalana, fampandriam-pahalemana) ny Tanànan’ny masoandro.
- Hisy avy hatrany ny fivoriana voalohany hiarahana amin’ireo Talem-paritra rehetra eto an-toerana ny faha 07 Janoary 2025 izay hotarihin’Atoa Governora.
Ny fivoriana manaraka dia ny tapa-bolan’ny Janoary hiarahana amin’ny mpisehatra rehetra amin’ny Toekarena Manga.