TOLIARA , FARITRA ATSIMO ANDREFANA
Fihaonana tamin’ireo Mpianatry ny Institut Halieutique et des Sciences Marines Toliara mahakasika ny FOJAEB
3 Andro Mialohan’ny fanokafana ny Fivoriambe ho an’ny Tanora mikasika ny Toekarena Manga dia nihaona tamin’ireo mpianatra avy eo anivon’ny IHSM A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert Sy ny delegasionina miaraka aminy nampahafantatra bebe kokoa azy ireo ny mahakasika ny tombotsoa amin’ny Fanatanterahina izany ho an’ireo Tanora sy ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana manokana . Nomena vahana manokana ireo tanora amin’ity hetsika ity ahafahan’izy ireo mijery sahady ny ho avin’izy ireo tsirairay amin’ny lafiny arak’asa izay maniry ny hisehatra amin’ny Toekarena Manga sy amin’ny fifandraisana amin’ireo tanora ivelan’i Madagasikara.
Nisy hatrany ny fanontaniana araham-baliny izay nanitikitika azy ireo taorian’ny fampahafantarana.
Marihina fa hisy ny solontena avy amin’izy ireo handray anjara mivantana mandritra ity FOJAEB ity.