Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

ZEP AMPAMAHERANA , KAOMININA ALATSINAINY IALAMARINA, DISTRIKAN’NY LALANGINA FARITRA MATSIATRA AMBONY
Dobo miisa 67, mirefy 4 hektara

Mirefy 4 hektara ity ZEP eto Ampamaherana ity izay manana Dobo miisa 67. Ity izany no Anisan’ny ZEP lehibe eto Madagasikara. Vinavinaina arak’izany fa hamokatra zana-trondro manodidina 40 taonina hatramin’izay 80 taonina isan-taona ity toerana ity Ary manodidina 10 tapitrisa ka hatrany amin’ny 15 tapitra any ho any ny zana-trondro tokony hivoaka ao satria ireo toerana fampanatodizana sy famokarana trondro no tena betsaka amin’ireo Dobo.
Malalaka ity toerana ity ka afaka mamatsy avy hatrany zana-trondro eto amin’ny Faritra matsiatra Ambony na any ivelan’ny Faritra na eo koa ireo trondro afaka hohanina avy hatrany.
Tafapetraka soamatsara ity toeram-pamokarana zana-trondro ity Ary vita soamatsara ihany koa ny fanajariana ireo Dobo izay Efa tsy niasa an-taonany maro tao an-toerana izay ho ezahina ny hampandeha azy Aignana ao anatin’ny roa volana eo ho eo.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru