Nifarana omaly 28 Septambra 2023 ny fivoriana tao amin’ny Nosy Maurice mahakasika ny SARCOF andiany faha-27 eo anivon’ireo firenena mikambana ao anatin’ny SADC izay naharitra hateloana ny faha 26 ka hatramin’ny 28 Septambra 2023.

Nisy hatrany ny asam-baomiera nandritra ny fotoana nivoriana nahitana ny vondron’ny Akoran’afo « Energie », ny Fitantanana ny loza mety ho avy na « Gestion des risques », ny Rano na « Eau » ary ny Fambolena sy ny Fanjarian-tsakafo na « Agriculture et Sécurité alimentaire » nandraisan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga anjara tamin’ny alalan’ny Fitaleavana ny fampamokarana ny atirano.

Tao anatin’izany no nitondrana ireo atontan-kevitra mahakasika ny toetrandro amin’ireo firenena mpikambana, nanomezana ny ambana amin’ny toetrandro ao anatin’ny volana Oktobra hatramin’ny volana Martsa. Ary nitondrana ihany koa ireo paikady hoentina miatrika izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *