Natolotr’Atoa Ministran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sady Ministra mpiahy ny Faritra Androy, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, androany 05 Oktobra 2023, ny fanalahidin’ny Birao vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Faritra Androy ao Ambovombe.

Marihana fa raha tsy nanana birao manokana mihintsy ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Faritra Androy hatramin’izay dia ankehitriny nahazo izany izy ireo. Anisan’ny birao manara-penitra izay tafiditra indrindra amin’ny fampandrosoana ny Faritra araky ny vinan’ny fitondram-panjakana amin’ny hametrahana foto-drafitrasa hitondra fampandrosoana hoan’ny Distrika sy Faritra manerana ny Nosy.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izao fotoana izao Atoa Governoran’i Faritra Androy, ny Ben’ny Tananan’Ambovombe sy ireo Talem-paritra isan-tsokajiny ary ireo olo-manakaja ao an-toerana.

Velombolo ary velom-pisaorana ny fitondram-panjakana noho izany ny Fitaleavam-paritrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao amin’ny Faritra Androy noho ny fahazoana izao foto-drafitrasa vaovao izao.

 

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *