Nifarana androany 07 Oktobra 2023, ny hetsika Foara VOATSE Andiany Voalohany izay naharitra 04 andro tao Ambovombe, Faritra Androy.

Liana ary tonga maro dia maro ny Vahoakan’Androy tonga nanatrika ity hetsika ity. Izao dia taratra sahady amin’ny fahavononan’ny rehetra hampandroso an’ity Faritra ity sy hiala amin’ny fahantrana. Hita nandray anjara tamin’ity Foara VOATSE Andiany Voalohany ity avokoa ireo sehatra rehetra mety hitondra fampandrosoana ny Faritra. Nisy noho izany ny fampahafantarana sy fifampizarana nandritra ny Foara.

Tsiahivana hatrany fa tonga manokana nanatrika ity hetsika ity Atoa Ministran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sady mpiahy ny Faritra Androy MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert.

FARITRA ANDROY TSY MAINTSY MANDROSO NO TANJONA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *