Tonga nandray anjara tamin’ny alalan’ny MPEB ny « World Marine Equipment Conference” notanterahana ny 12 hatramin’ny 15 Oktobra 2023 lasa teo tany Fujian, Fuzhou, Chine, i Madagasikara. Nitarika ny Delegasiona tany an-toerana Atoa Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano eo anivon’ny Ministera .
Nizara telo ny fandaharam-potoana nandritra ny fivanianana ka nisy ny fanatrehana ny famelabelaran-kevitra, ny fampiratiana ary ny fitsidihana ireo orinasa mpanjono, ireo mpiompy trondro natao ho fahafinaretan’ny maso na ny « Poissons d’ornements », ireo mpanodina vokatra an-dranomasina ary ny toerana fampisehoana ny faritra mando izay misy ao amin’ny Distrika.
Anisan’ny voasa niaraka tamin’ireo olo-manakaja maro nanatrika ity konferansa ity ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano, Atoa BEMANAJA Etienne nandritra ny andro voalohany nialohan’ny fivoriana.
Nanomboka ny faha 12 Oktobra 2023 ny fanombohan’ny fivoriana ka niompana indrindra tamin’ny famelabelaran-kevitra mahakasika ireo fivoarana misy eo amin’ny lafiny fitaovana ampiasana eny an-dranomasina, ny resaka fitaterana an-dranomasina sy ny fivoarana misy eo amin’ny lafiny fitaovana, ny fiompiana an-dranomasina ary ireo fitaovana maro samihafa hampiasana amin’ny jono sy ny fampamokarana ny atirano.
Ny faha 15 Oktobra 2023 kosa dia nisy ny fitsidihan’ny Delegasiona Malagasy ny orinasa Hongdong Fishery Co Ltd. Orinasa iray misehatra amin’ny jono indostrialy an-dranomasina mampiasa sambo miisa hatramin’ny 600. Ity orinasa ity dia anisan’ny miara-miasa amin’ny firenena maro maneran-tany toy ny any Mauritanie, Oman, ireo firenena any Amerika Atsimo sns… ary izy no anisan’ny orinasa lehibe indrindra ao Chine misehatra amin’ny jono an-dranomasina ara-indostrialy.
Nifarana tamin’ny fifanakalozana traikefa teo amin’ny roa tonta moa ny fitsidihina notontosaina teo anivon’ity orinasa lehibe ity.
Nanamarika ny famaranana ny fitsidihina nataon’ny Delegasiona Malagasy tao Chine ny fizahana ny toeram-piompiana trondro natao ho fahafinaretan’ny maso tao Fuzhou.
Toeram-piompiana trondro iray sady manatsara ny taranak’ilay hazandrano no manalehibe ihany koa. Izany dia ao anatin’ny dobo ivelan’ny tany miaraka amin’ny fanadiovana ny rano na « Bassins hors sols en circuit fermé ».
Mahavelombolo ny fitsidihana sy ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny Konferansa lehibe toy izao ka hantenana fa ho fanoitra iray lehibe hampiroborobo ny sehatry ny jono sy ny fampamokarana ny atirano eto Madagasikara.
