Ny « Spiruline » dia fanampi-tsakafo izay efa nampiasain’ny zanakolombelona aman’arivo taona lasa izay, indrindra tao Mexique. Zavatra mahasalama ary mandrindra tsara ny tosi-drà ny ahidrano ary tokony ho sakafoanan’ny rehetra isan’andro.

Fiaraha-miasa niarahana amin’ny « Organisation Internationale du Travail » na OIT sy ny « ONG Aquatic Service » ny nametrahana ity toerana ity eto Antanimora Atsimo izay natao andrana mialohan’ny hanaparitahana azy aty atsimo hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo.

Tonga nitsidika ity toerana fambolena « Spiruline » ity eto Antanimora Atsimo Atoa Minisitran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy ireo Mpiara-miasa aminy ary nanome ireo toromarika maro samihafa ny amin’ny hanatsarana azy. Mahavelom-bolo ny zava-misy eto ary haparitaka tsy ho ela manerana ny Faritra Atsimo rehetra hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *