Notanterahina ny faha 20 Martsa 2024 tao amin’ny Hôtel Le Palétuvier, Kaominina Ambonivohitra Toliara, Faritra Atsimo-Andrefana ny atrikasa ho fahampafantarana mikasika ny “Politique Intégrée de Gouvernance de l’Océan » na ny PIGO.
Atrikasa izay nandraisan’ ireo rehetra izay mpisehatra amin’ny tontolon’ny ranomasina ka nahitana ireo CTDs, STDs, ireo avy amin’ny ONGs sy ireo Firaisamonim-pirenena miantsehatra eny amoron-driaka.
Tsapa nandritra izao fivoriana izao ny fahavononan’ireo solontena avy eny ifotony amin’ny ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga sy ny amin’ny fitantanana maharitra ny ranomasina.
Raha hampatsiahivina ny tanjon’izao atrikasa izao dia ho fahampafantarana ireo vontoatiny, ireo vina sy ireo laharam-pahamehana ary ny fomba hanatanterahana ny Politika nasionaly hitantanana ny ranomasina na ny « PIGO ».
Eeo ihany koa ny fomba handrindrana ny « PIGO « amin’ny « Drafi-pampandrosoan’ ny Faritra na ny « Plan Régional du Développement » mba hahafahan’ny rehetra miara-mientana amin’ny fanatanterahana azy eo anivon’ ny Faritra Atsimo Andrefana ka hiteraka tombotsoa mivantana ho an’ireo vahoaka eny ifotony.
Tonga nitarika sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izao atrikasa izao ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsimo Andrefana izay notronin’ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Ankasitrahina ihany koa ny Tetikasa MIONJO izay nanao ny tantsoroka nahafahana nanatontosa izao hetsika izao.
