Fampiroboroboana ny tontolo an-dranomasina ,Fototra hampandrosoana an’i Madagasikara, io no loha-hevitra novoaboasana mahakasika ny sehatry ny Jono nandritra ny loabary an-dasy izay Notanterahina teny amin’ny CCI IVATO ny 21 Martsa izay nokarakarain’ny teo anivon’ny CEDS.

Tonga nanome voninahitra izany Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga MAHATANTE Paubert izay anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanehoan-kevitra mahakasika ny mahazava dehibe ity sehatra ity.

Anisany noresahany tamin’izany ny mahakasika ny fampiasana ireo fitaovana tsy azo ampiasaina (tarikaky,ramikaoko) satria tsy misy fampandrosoana maharitra Raha hampiasa izany Teo koa ny mahakasika ny fanarahana maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara ary ireo paikady hampiroboroboana ny Jono an-tanety.Ankoatri’reo Dia nisy ny fifanakalozan-kevitra sy fandraisana ny fanontaniana maro isan-karazany izay niarahana tamin’ireo manampahaizana amin’ity sehatra ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *