Taorian’ny fanatrehan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert ny fivoriana mahakasika ny resaka fanjarintsakafo aty Afrika niarahana tamin’ny FAO sy ny fanjakana Maraokanina dia tonga nitsidika azy anio 02 Mey 2024, teny amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby ny Masohivohon’i Maraoka monina sy miasa eto Madagasikara. Tanjon’ny fihaonana ny hanamafy sy hanafainganana ny fifampiresahana nandritra izany fivoriana izany.
Tsiahivina fa teboka telo lehibe no noresahana nandritra izany fivoriana izany dia ny fanaovana tombana na « ny evaluation de stock » ireo karazana trondro ananantsika eto Madagasikara. Ny faharoa ny mahakasika ny fanodinana ny vokatra na ny « transformation de produit » ho fanatsarana ny rojom-piharian’ireo mpanjono sy ny vadin’ny mpanjono. Vonona moa ry zareo Maraokanina hizara ny traikefany amintsika ny amin’izay sehatra izay. Ny fahatelo dia ny fambolena raketa sy ny « Dattier » kasaina atao any Atsimon’i Madagasikara izay azo ahodina sy hanaovana zavatra maro.
