Tonga nitsidika an’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny birao fiasany tao Ampandrianomby, Antananarivo, androany 13 Mey 2024, ny Masoivohon’i Pologne, Atoa Dr Zbigniew Kasprzyk, sady mpikaroka no mpampianatra ihany koa, miara-miasa amin’ny IHSM sy ny MPEB ankehitriny. Ny resaka jono sy ny famokarana anaty rano no tena nahafantarana azy, anisan’ireo mpikaroka niara-niasa tamintsika tamin’ny fametrahana ny Fiompiana « Truite » tao Manjakatompo hatramin’ny taona 2010-2011.
Ankehitriny dia mieritreritra ny hamerina io fiompiana « Truite » io isika noho ity farany izay anisan’ny vokatra lafo vidy sy betsaka mpitady ary mifanaraka amin’ny fizahantany ka ry zareo « Polonais » no manana traikefa amin’izany.
Eo ihany koa ny tombatombana ny tahiry an-dranomasina izay ananan’izy ireo ihany koa ny traikefa mahakasika izany.
Noresahana nandritra ny fotoana ny fomba hanatanterahana ny fanjarian-tsakafo any Atsimo mba haleo tena ara-tsakafo sy hizaka tena amin’ny asa rehetra izay ataony ny olona satria ny tenany dia efa mpandeha matetika any.
Nisaotra an’Atoa Dr Zbigniew Kasprzyk, Masoivohon’i Pologne, Atoa Ministra noho izao fitsidihany izao ary mbola hisy ny fidinana ifotony hiarahana any Manjakatompo ao aoriana, hamerenana haingana ity fiompiana « Truite » ity, sady efa vonona ny hanome atody « fécondé » sy hanampy ihany koa izy ireo.
