Tontosa ny faha 21 Marsa 2025 tao Ambanja ny atrikasa nandrafetana ny Dinabe Tsimipaika taorian’ny fanadihadihana fidinana ifotony tao amin’ny Helodrano Tsimipaika.
Ho fampaharetana ny harena an-dranomasina ho lovain-jafy dia tapaka fa nandrafetana Dina ka izay toerana tsy Mbola misy famindrampitantana TGRH sy TGRN ka DINABE TSIMIPAIKA no hampiharina. Ho hentitra ny rehetra amin’ny fampiharana ny lalàna napetraka.
Tonga nanatrika ny fivoriana ireo avy amin’ny DREED, #DRPEB_Diana, #CSP, #CirPEB, ny Ben’ny Tanàna voakasika sy Sefo Fokontany. Teo ihany koa ny Fikambanana mpanjono, ny VOI, ny fiaramonim-pirenena. Tsy adino ny ray aman-dreny ara-drazana, ny Mpanjaka ny Ambanja Tsiaraso IV sy Mpanjaka Nosy Be, izay samy mandala ny ny fomba netim-paharazana amin’ny fiarovana ny harena voajanahary.
Nararaotina tamin’io atrikasa io ny fampahafantarana ny lalàna sy ny andraikitry ny tsirairay, ny hitantanana ireo harena amorontsiraka sy andranomasina izay sarota fehezina noho ny jono tsy ara-dalàna, ny fampiasana fitaovana tsy manara-penitra, ny tsy fanajana ny fotoana fikatonan’ny jono, ny fifindramonina tsy voafehy,sns.
Isaorana ny ONG #Blue_Ventures, angady sy vy nahitana an’izao atrikasa izao.
