Manodidina any amin’ny 80 any ny famindram-pitantanana ireo harena sy rohy voahary anaty rano na ny (TGRH) no efa vita izay nafindra tamin’ireo Vondron’Olona Ifotony sy ireo mpanjono. Hatreto dia mbola tsy voafaritra mazava tsara ny mety ho fahombiazan’ny fitantanan’izy ireo izany harena sy rohy voahary izany.
Nisy arak’izany ny atrikasa ho fankatoavana ny fitaovana vaovao izay entina hanaovana tombana sy fanaraha-maso ny fahombiazan’ny famindran-mpitantanana ny harena sy ny rohy voahary anaty rano izany izay niarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga,ny mpiara miombon’antoka ary ireo solontenan’ny mpanjono, izay notanterahina teny Andrainarivo-Antananarivo ny 03 Aprily 2025.
Tanjona amin’izao atrikasa izao ny hampiharana ity paikady vaovao ity mba ho fanatsarana hatrany ny fomba fitantan’ireo mpisehatra eny ifotony ary hampaharitra ireo harena anaty rano ireo. Marihina fa tohana avy amin’ny WWF no nahafahana nanao ity paikady ity ka ny mpanamahay BE LONATANY no nanatanteraka ny asa teny an-kianja.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *