Tontosa ny faha 31 Mey 2025 teo tao aminโ€™ny lapanโ€™ny tanร nanโ€™i Sarobaratra Ifanja, ao aminโ€™ny Distrikanโ€™i Miarinarivo, Faritra Itasy, ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro, notanterahanโ€™ny ekipa avy aminโ€™ny Fitaleavana misahana ny famokarana ny anaty rano (DA) sy ny Fitaleavanam-Paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Itasy.
Ity fampiofanana ity dia natao hanohanana sy hampiroborobo ny fambolena sy fiompiana trondro an-tanimbary ho fampandrosoana ny toekarena eo an-toerana.
Miisa 25 ireo mpiofana, izay tena liana sy vonona tanteraka hirotsaka aminโ€™ny fiompiana trondro an-tanimbary ary naneho ny fahavononany hampihatra ny fahalalana azo mandritra ny fiofanana. Ny tanjona dia ny hampiasa ny rano azo fehezina mandavan-taona, izay mety indrindra ho anโ€™ny fiompiana trondro, mba hiantohana ny vokatra tsy tapaka sy ny fampitomboana ny fidiram-bolanโ€™ny tantsaha.
Namporisika ny mpiofana ny tomponโ€™andraikitra mba hampiasa ny fahalalana azo sy hizara izany aminโ€™ny mpiara-monina aminy mba hiroborobo bebe kokoa ity sehatra ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiรฉe. Les champs obligatoires sont indiquรฉs avec *