Tontosa ny faha 04 Jona 2025 tao amin’ny FKT Sakena Antoby, Kaominina Ambanivohitra Mahasoa, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe ny fanomezana zanatrondro karpa (carpes) miisa 360 ho an’ny tantsaha vao manomboka amin’ny fihariana trondro. Nomena ireo tantsaha ireo zanatrondro somary efa lehibe mba hanamora ny fiompiana sy hahazoana vokatra haingana. Ankoatra izany, nanome fanohanana ara-teknika ihany koa izy ireo amin’ny fanatsarana ny dobo fiompiana sy ny fitantanana ny fomba fiompiana mba hahazoana vokatra tsara sy maharitra.
Ny tanjona lehibe amin’ity fanomezana zanatrondro ity dia ny hampitomboana ny taranaky ireo trondro karpa ao anatin’ny fiompiana mba hahafahan’ny tantsaha manana loharanon-trondro maharitra sy mahafa-po ny filàny. Ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Fitaleavam-Paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Ihorombe sy ny ONG Tsimoka izay samy manohanana ny fampandrosoana ny fihariana trondro ao amin’ny Faritra.
Ankoatra ny fanomezana zanatrondro dia nisy ihany koa ny fanaraha-maso ny fitomboan’ireo zanatrondro karpa nomena tamin’ny volana Janoary 2025. Ireo trondro ireo izay efa dimy volana izao ary efa mahatratra 400 grama ny salan’isan’ny lanjan’ny tsirairay izay manaporofo ny fahombiazan’ny fiompiana sy ny fanohanana ara-teknika omena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *