Tontosa tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Ambatondrazaka ny 05 Jona 2025 teo ny atrikasa fankatoavana ny drafi-panajariana ny jono ho an’ny farihin’Alaotra izay entina hamerenana indray ny lazan’ity farihy ity ao anatin’ny dimy taona ho avy. Ity drafitra ity dia mampiditra ireo vahaolana stratejika isan-karazany novolavolaina mba hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny jono sy ny tontolo iainana manodidina ny farihy.
Nandritra ity fotoana ity, mpisehatra maro avy amin’ny distrika roa dia ny Distrikan’Amparafaravola sy Ambatondrazaka no tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’ny adihevitra sy nanome ny heviny momba ity drafitra ity. Anisan’ny nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra isan-karazany toy ny mpanjono, ny fiarahamonina eo an-toerana, ary ny manampahefana ihany koa ity atrikasa ity mba hahazoana antoka fa hahomby ny fampiharana ny drafitra.
Ity drafi-panajariana ity dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ireo teknisianina avy ao amin’ny mpanamahay MAMIA ary tafiditra ao anaty fandaharan’asa RINDRA, izay mikendry ny hampandroso ny sehatry ny jono eto Madagasikara.
Naneho ny fahafaham-pony tamin’ity atrikasa ity ireo mpandray anjara sady nanantitrantitra ny tokony hisian’ny fanaraha-maso akaiky sy fiaraha-miasa mitohy mba hahatanteraka ny tanjona napetraka.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *