Tontosa androany 12 Jona 2025 tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Morondava ny fivorian’ny Komity Marolafy ho an’ny #Farim_panjonoana_C1, izay ahitana ny Faritra Melaky sy Boeny. Ity fivoriana ity dia natao manokana mba hijerena ny zava-bita tamin’ny taona 2024 izay niarahana nanapaka sy ny famaritana ny lahatrasa ho an’ny taona 2025.
Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy notarihin’Andriamatoa Talen’ny Jono avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena dia nisy ny fampatsiahivana ireo tapaka tamin’ny fivoriana farany nataon’ny Ekipa teknika miandraikitra ny fitantanana ny fanatanterahana ireo fanekena anatin’ny bokin’andraikitra (UGE) nitohy tamin’ny famelabelarana feno momba ny zava-bita nataon’ireo talem-paritra voakasika izay narahina ady hevitra momba ireo fanamby napetraka ho an’ireo faritra roa izay nojerena ny taham-pahavitan’ny asa sy ny fandrosoana sosokevitra raha nisy ny asa tsy tanteraka.
Taorian’ny tatitra sy fankatoavana ny asa vita dia miisa 05 kosa ny lahatrasa tapaka fa hotanterahana ny taona 2025 dia ny fambolena honko ny fanohanana ireo mpanjono ifotony ny fitantanana sy fananganana ny AMP ny fanofanana sy fanamafisam-pahalalana ho an’ireo mpanjono ary ny fanohanana ny vadin’asa hoan’ireo mpanjono ifotony . Ho fanohanana ireo mpanjono madinika eny ifotony ary dia hisy ny fampitaovana maro samihafa avy amin’ireo orinasa lehibe manjono makamba amin’iny farim-panjonoana iny izay marihana fa fampitaovana arakarakin’ny filàny faritra voakasika.
Nanamafy ny fahavononany hiasa miaraka ireo mpandray anjara rehetra mba hahazoana antoka fa ho tanteraka ny tanjona napetraka na dia misy ihany ireo olana sedraina. Ity fivoriana ity dia heverina ho dingana lehibe amin’ny fanatsarana hatrany ny fitantanana mahomby ny #Farim_panjonoana_C1 ho tombontsoan’ny rehetra ao amin’ny Faritra Melaky sy Boeny.
#MPEB #DREDD #DRPEB_Melaky #DRPEB_Boeny #REFRIGEPECHE_OUEST #SOMAPECHE #PECHEXPORT #Komity_Marolafy #Faritra_C1 #Mpanjono #Makamba
