Ny jono makamba dia anisanโ€™ny sehatra mitana anjara toerana lehibe eo aminโ€™ny sehatry ny jono eto Madagasikara ary iray aminโ€™ireo loharanon-karena manan-danja ho anโ€™ny mpanjono sy ny toekarena eto an-toerana. Mba hitantanana tsara ity sehatra ity ny Ministeranโ€™ny Jono sy ny Toe-karena Manga dia namaritra farim-panjonoana miisa dimy (5) manerana ny fari-dranomasinโ€™i Madagasikara.
Ho anโ€™ny Farim-panjonoana A dia ao aminโ€™ny Faritra Diana no iasany, ny Farim-panjonoana B kosa dia miasa ao aminโ€™ny Faritra Sofia sy Boeny, ny farim-panjonoana C1 indray dia ao aminโ€™ny Faritra Melaky sy Boeny no iasany, ny Farim-panjonoana C2 miasa ao aminโ€™ny Faritra Melaky, Atsimo Andrefana, Menabe, ary ary ny farim-panjonoana D dia ao aminโ€™ny Faritra Analanjirofo sy Atsinanana.
Ireo mpanjono vaventy manjono ao aminโ€™ireo farim-panjonoana voalza ireo dia manana ny bokinโ€™andarikitra mazava izay mamaritra ny tamberinโ€™andraikitra ny aminโ€™ny fanohanana ny mpanjono madinika ao anatinโ€™ireo faritra ireo.
Taorianโ€™ny fivoriananโ€™ny komity marolafy ho anโ€™ny farim-panjonoana C1, izay natao tao Morondava, dia nisy ihany koa ny fivorianโ€™ny komity marolafy ho anโ€™ny #farim_panjonoana_C2 izay natao anio 13 Jona 2025 tao aminโ€™ny Kaominina Ambonivohitrta Morondava,Faritra Menabe izay nijerena ny drafitrโ€™ asa voafaritra teo aloha,nanombanana ny fahatanterahanโ€™ireo asa ireo sy ireo asa mbola an-dalam-pahavitana ary ny famolavolana sy fankatoavana ny lahatrโ€™asa vaovao izay atao aminโ€™ny taona ho avy ka tonga nanokatra sy nitarika izany aminโ€™ny fomba ofisialy A/toa RAZAFIMANDIMBY Jean Chrysostophe Tale Jeneralin’ny Jono sy ny fampamokarana ny atirano eto anivon’ny Ministera.
Raha ny voarakitrโ€™ity lahatrasa ho aminโ€™ny taona ity dia ao ny mahasika ny fambolena honko izay efa misy velaran-tany nofaritana ho volena, ny fanohanana sy fampitaovana ireo mpanjono madinika , ny fametrahana ny ala arovana izay hiarahana aminโ€™ny DREDD ary fanohanana ny vadinโ€™asa hoanโ€™ireo mpanjono.
Tanjona ny hanatsarana hatrany ny fitrandrahana ny makamba sy ny hanajana izay voarakitry ny bokin’andraikitra mba hahazoanโ€™ny rehetra tombontsoa, na ny mpanjono madinika na ny mpandraharaha lehibe ary ny hitantanana ny harena an-dranomasina sy ny fampandrosoana maharitra ho anโ€™ny faritra.
#MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #DRPEB_Menabe #DRPEB_Melaky #DREDD #Refrigepeche_Ouest #SOMAPECHE #Les_Pecheries_de_nossi_be #farim_panjonoana_C2 #KomityMarolafy #Mpanjono #Makamba

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiรฉe. Les champs obligatoires sont indiquรฉs avec *