Ny jono makamba dia anisan’ny sehatra mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny jono eto Madagasikara ary iray amin’ireo loharanon-karena manan-danja ho an’ny mpanjono sy ny toekarena eto an-toerana. Mba hitantanana tsara ity sehatra ity ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga dia namaritra farim-panjonoana miisa dimy (5) manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara.
Ho an’ny Farim-panjonoana A dia ao amin’ny Faritra Diana no iasany, ny Farim-panjonoana B kosa dia miasa ao amin’ny Faritra Sofia sy Boeny, ny farim-panjonoana C1 indray dia ao amin’ny Faritra Melaky sy Boeny no iasany, ny Farim-panjonoana C2 miasa ao amin’ny Faritra Melaky, Atsimo Andrefana, Menabe, ary ary ny farim-panjonoana D dia ao amin’ny Faritra Analanjirofo sy Atsinanana.
Ireo mpanjono vaventy manjono ao amin’ireo farim-panjonoana voalza ireo dia manana ny bokin’andarikitra mazava izay mamaritra ny tamberin’andraikitra ny amin’ny fanohanana ny mpanjono madinika ao anatin’ireo faritra ireo.
Taorian’ny fivorianan’ny komity marolafy ho an’ny farim-panjonoana C1, izay natao tao Morondava, dia nisy ihany koa ny fivorian’ny komity marolafy ho an’ny #farim_panjonoana_C2 izay natao anio 13 Jona 2025 tao amin’ny Kaominina Ambonivohitrta Morondava,Faritra Menabe izay nijerena ny drafitr’ asa voafaritra teo aloha,nanombanana ny fahatanterahan’ireo asa ireo sy ireo asa mbola an-dalam-pahavitana ary ny famolavolana sy fankatoavana ny lahatr’asa vaovao izay atao amin’ny taona ho avy ka tonga nanokatra sy nitarika izany amin’ny fomba ofisialy A/toa RAZAFIMANDIMBY Jean Chrysostophe Tale Jeneralin’ny Jono sy ny fampamokarana ny atirano eto anivon’ny Ministera.
Raha ny voarakitr’ity lahatrasa ho amin’ny taona ity dia ao ny mahasika ny fambolena honko izay efa misy velaran-tany nofaritana ho volena, ny fanohanana sy fampitaovana ireo mpanjono madinika , ny fametrahana ny ala arovana izay hiarahana amin’ny DREDD ary fanohanana ny vadin’asa hoan’ireo mpanjono.
Tanjona ny hanatsarana hatrany ny fitrandrahana ny makamba sy ny hanajana izay voarakitry ny bokin’andraikitra mba hahazoan’ny rehetra tombontsoa, na ny mpanjono madinika na ny mpandraharaha lehibe ary ny hitantanana ny harena an-dranomasina sy ny fampandrosoana maharitra ho an’ny faritra.
#MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #DRPEB_Menabe #DRPEB_Melaky #DREDD #Refrigepeche_Ouest #SOMAPECHE #Les_Pecheries_de_nossi_be #farim_panjonoana_C2 #KomityMarolafy #Mpanjono #Makamba
