Zava-dehibe sy manandanja amin’ny seha-pihariana Jono sy ny Toekarena Manga ny ala Honko satria dia tsy vitan’ny manome toeram-ponenana ho an’ny karazana zava-manan’aina maro, fa manampy ihany koa amin’ny fanalefahana ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny alàlan’ny fitehirizana karbaona sy ny fiarovana ny morontsiraka. Noho izany ny fiarovana azy dia zava-dehibe ho an’ny tontolo iainana sy ny hoavin’ny taranaka.
Tontosa tamin’ny fomba ofisialy ny 26 Jolay 2025 teo tao amin’ny Fkt Ambondrolava, ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Belalanda, ny fankalazana ny « Andro Maneran-tany ny Ala Honko. Ny lohahevitra nentina nankalazana izany tamin’ity taona 2025 ity dia ny hoe  » 𝑯𝒐𝒏𝒌𝒐🌱 𝒗𝒂𝒉𝒂𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒂𝒓𝒐 𝒏𝒚 𝒛𝒂𝒗𝒂-𝒎𝒂𝒏𝒂𝒏’𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒂𝒅𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒐𝒗𝒂𝒐𝒗𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒆𝒕𝒓𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐 ».
Io lohahevitra io dia nanamafisana ny anjara toerana lehibe hananan’ny ala Honko amin’ny fitazonana ny fifandanjan’ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny zava-manan’aina isan-karazany.
Manodidina ny 400 ha eo eo ny velarana ala honko ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Belalanda ankehitriny ary tamin’ny faha 04 Jona 2010 tany ho any no nanaovana ny famindram-pitantanana io ala io amin’ireo mponina eny ifotony ka ny ONG HONKO SALAMA sy MIHARI no mpitarika sy mpanohana ny VOI MAMELO HONKO amin’ny fitantanana izany.
Na izany aza dia misy ihany ny olana indrindra eo amin’ny fihenan’ny rano manondraka ny ala Honko noho ny fihenan’ny lalan-drano izay miteraka fiantraikany ratsy amin’ny fahasalaman’ny ala, satria ny rano no singa fototra ilaina amin’ny fitomboan’ny Honko .Noho izany nanaitra ny fitondrana sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra ny filohan’ny VOI MAMELO HONKO mba hifanome tanana handray amin’ny fanalalana ireo lalan-drano ireo.
Nandray anjara tamin’ity fankalazana ity ireo tompon’andraikitra isan-karazany, anisan’izany ny Lefitry ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Belalanda, ny Filohan’ny Fkt Ambondrolava, ny DRPEB ny DREDD, ary ny fikambanana tsy miankina toy ny Reef Doctor, VARUNA, ACB, ary ACH. Ny fanatrehan’ireo mpandray anjara ireo dia nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondrana, ny fiaraha-monina, ary ny sehatra tsy miankina amin’ny fiarovana ny ala Honko.
#MPEB #JIM #DRPEB #DREDD #Atsimo_Andrefana #ONG_HONKO_SALAMA #MIHARY #VOI_MAMELO_HONKO #Reef_Doctor #VARUNA #ACB #ACH

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *