Eto Amin’ny Distrikan’ny Vatomandry indray hanohizan’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny fidinana ifotony izay entina hampiroboroboana ity sehampihariana ity sy entina hanamafisana ireo fanentanana maro isan-karazany ho an’ireo izay maniry ny hisehatra amin’ny fiompiana trondro.
Miezaka Manakaiky ny vahoaka hatrany ny eto anivon’ny Ministera izay tarihiny ahafahana mandray ny hetahetan’izy ireo hanatsarany ny velontanany sy hanomezana Toro-marika isan-karazany hampitomboana ireo vokatra ao an-toerana.
Mandritra ny fitsidihana dia Hisy ny fanaraha-maso ny fandrosoan’ny asa fananganana ny toeram-pamokarana zana-trondro #ZEP ao Ambodivoananto , ny fampiofanana fiompiana trondro ho an’ny vahoaka Ary ireo fitsidihana Dobo samihafa ataon’ireo Mpiompy trondro ao an-toerana .
Hita teny an-toerana avokoa ireo Tompon’andraikitram-panjakana anisan’izany ny solombavam-bahoaka voafidy tao vatomandry sns..
#MPEB #FAMPIROBOROBOANA_NY_JONO
#VATOMANDRY #FARITRA_ATSINANANA.
