Manomboka ny dingana hametrahana Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina (#CESC) i Madagasikara. Ity Filankevitra ity dia natao hanomezana sehatra ahafahan’ny olom-pirenena sy ireo sampan-draharaha samihafa miara-midinika amin’ny fanjakana momba ny fanapahan-kevitra ho an’ny firenena.
Efa voasoratra ao amin’ny Lalàmpanorenana tamin’ny taona 2010 ny amin’ity Filankevitra ity, saingy amin’izao vao tena manomboka tanterahina. Nisy fifanakalozana natao niaraka tamin’ny Nouvelle-Calédonie, izay efa manana Filankevitra mitovy amin’izany. Tonga teto Madagasikara ny solontenany ary nizara traikefa momba ny fomba fiasa sy ny fananganana an’ilay rafitra. Nanampy an’i Madagasikara hahatakatra bebe kokoa ny tokony hatao izany.
Ny andraikitry ny #CESC dia ny manome soso-kevitra amin’ny fanjakana momba ny politika ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina. Hanampy amin’ny fanaraha-maso sy fanombanana ny asa ataon’ny fanjakana koa izy, mba hahafantarana raha tena mahafeno ny filàn’ny vahoaka eny ifotony ny asa.
Ho solontenam-bahoaka amin’ny sehatra isan-karazany no hiforonan’ity Filankevitra ity : avy amin’ny ministera, antenimiera, sehatra tsy miankina, ary fiarahamonim-pirenena.
Efa manaiky sy manohana ny fametrahana izany ny ankamaroan’ireo sampana sy olona voakasika. Hisy volavolan-dalàna halefa eny amin’ny antenimiera roa tonta ho dingana manaraka amin’ny fananganana azy.
Efa misy ohatra mitovitovy amin’izany hita amin’ny Jono sy Toekarena Manga. Ohatra, ny Cluster Économie Bleue, izay manome toerana ny fiarahamonina sy ny sehatra tsy miankina handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra.
Misy koa ny sehatra fifanakalozana amin’ny jono madinika sy ny fiompiana anaty rano, izay manampy amin’ny fifampiresahana mazava sy ara-drariny. Eo koa ny fampiharana ny mangarahara amin’ny fifanarahana ara-jono, ny fanarahamaso ny famatsiam-bola, ary ny fandraisana anjara amin’ny Initiative FITI, izay manohana ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina.
Nisy ny atrikasa izay natao teto Antananarivo ny 01 Aogositra 2025 teo tao amin’ny tranoben’ny Firaisamonimpirenena Ambatonankaga, Antananarivo. Maro ireo nandray anjara tamin’izany, anisan’izany ny solombavambahoakan’i Madagasikara, ny filohan’ny vaomiera misahana ny tontolo iainana ao amin’ny Antenimieram-pirenena sy ireo mpikambana ao aminy. Teo koa ireo solontenan’ny fikambanana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny sendikà, ny minisiteran’ny Jono sy Toekarena Manga, ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny FIVIMPAMA, ary ny fikambanan’ny tanora, vehivavy ary ireo mpanakanto.
#MPEB
#Atrikasa_fifanakalozana
#CESC
#Nouvelle_Calédonie

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *