Nandritra io fampiofanana io dia miisa 71 no nanatrika izay naneho ny fahavononany hianatra sy hanatsara ny fahaizany amin’ny fiompiana trondro. Ny tanjona voalohany tamin’ity fiofanana ity dia ny hamahana ny olana mifandraika amin’ny fitantanana sy ny fampiasana rano izay lasa olana lehibe eo amin’ny tantsaha sy ireo mpiompy noho ny fiovan’ny toetr’andro. Ankoatran’izay dia nomena ny teknika vaovao izay afaka hanampy ireo mpiompy hanatsara ny vokatra azony.
Atoa Ben’ny Tanànan’i Amparafaravola dia naneho ny fahavononany hanamafy ny fanentanana momba ny fiompiana trondro izay ho atao isaky ny Alakamisy.Resy lahatra tanteraka amin’ny tombontsoa azo avy amin’ity sehatra ity ny rehetra ka nanolo-tena fa hanohy hikarakara sy hanohana ny fampiofanana tahaka izao mba hampiroboroboana ny fiompiana trondro ao amin’ny Distrika.
Nampatsiahivina fa ny fiompiana trondro dia tsy vitan’ny manome fidiram-bola ho an’ny tokantrano fa manampy amin’ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana sy ny fampandrosoana ny toekarena eo an-toerana.
#MPEB #DA #DRPEB_Alaotra_Mangoro #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga #PPSPAS
Distrikan’Amparafaravola, Kaominina Ambanivohitra Ambodimanga, Faritra Alaotra Mangoro.
𝐀𝐤𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐲 𝐫𝐚𝐧𝐨.
Taorian’ny fangatahana nataon’Atoa Ben’ny tananan’ny Kaominina Ambodimanga mba hanatanterahana fampiofanana manokana momba ny fiompiana trondro ho an’ny mponina ao amin’ny Kaominina izay nampitaina tany amin’Andriamatoa Minisitry ny ny Jono sy ny Toekarena Manga dia namaly avy hatrany ny ekipa avy amin’ny DRPEB (Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue) sy ny DA (Direction de l’Aquaculture).Ny kaominina rahateo dia manana toerana maro hahafahana manao an’ izay fiompiana trondro izay .
