Fanamby Hapetraky ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny #hanaparitaka ny #teknim_piompiana_Trondro eto Madagasikara. Ankoatr’ireo ezaka ataon’ny fitaleavam-paritra tsirairay avy amin’ny Fidinana ifotony isan-karazany dia tsy mikely soroka fa #manampy Ary #manamafy hatrany izany fanapariahana sy fanentanana izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert satria ny fiara-mientana no mahalasa lavitra Raha nambarany.
Ny Anio 8 Aogositra 2025 dia ireo vahoakan’ny Morafenobe no nisitraka ny fampiofanana Feno izay nanomezana ireo fomba fiompiana trondro rehetra afaka atao no notontosaina teto . Araka ny hita ao an-toerana dia Efa misy ihany ireo mpiompy fa ny lalam-barotra hoy izy ireo no mahalana ka nanome toky azy ireo Minisitra fa hitady vahaolana ho famaliana ny hetahetan’izy ireo.
Vonona Ary maro izy ireo no Liana satria resy Lahatra fa seham-pihariana mahavelona ny asa fiompiana trondro Ary afaka ataon’ny sarambabem-bahoaka fa indrindra ireo renim-pianakaviana.
Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue
#FAMPIOFANANA_FIOMPIANA_TRONDRO
#MELAKY
