Ilaina ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo mitovy asa atao mba hampivoarana ny fari-piainana sy hahafahana mahazo fomba fijery sy fomba fiasa vaovao.Araka izany dia fikambanana mpanjo, miisa dimy(05) ,mpikambana VOAMAMI miisa (05) ary mpanao kinanga avy ao amin’ny distrikan’i Toamasina no nitsidika tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo atsinanana ny faha 05 sy 06 Aogositra 2025 teo.
Vontoatin’ny fitsidihana ny fifampizarana traikefa hampiroboroboana ny VOAMAMI sy ny hampitomboana ny vadin’asa azon’ny mpanjono madinika atao hahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ireo loza voajanahary izay misy fiantraikany amin’ny asan’izy ireo.Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitaleavamparitry ny Jono sy ny Toekarena Manga eo amin’ny faritra roa tonta ary ny tantsoroka nomen’ny ONG OSDRM sy ny ONG GRADE ary ny orinasa Ambatovy no nahafahana nanatontosa izao fihaonana izao.
#MPEB #DRPEB #VOAMAMI #mpanjono_madinika #Ambatovy #ONG_GRADE #OSDRM
