Nandritra ny fiofanana izay notarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert no nahatsapana fa maro amin’ireo vahoaka eto Ambatomainty no tsy Mbola mahafehy tsara ny teknim-piompiana Trondro na ireo karazana fiompiana trondro afaka atao Ankoatr’izay ireo lalàna mifehy ny Jono.
Ity fampiofanana ity arak’izany no soa fananararaotra ho azy ireo entiny hanamafisany ny fahaizamanaon’izy ireo ahafahany mampiroboro ity foto-piveloman’izy ireo ao an-toerana, ahafahana mamerina ihany koa ny Lazan’ny Distrika amin’ny fananany karazana hazandrano maro izy rahateo izay manana ranovory manodidina ny 30 eo no ho eo.
Ankoatry ny fampiofanana dia nifanakalo hevitra tamin’izy ireo A/toa Minisitra tamin’ny alalan’ny fanontaniana naraham-baliny.
Mankasitraka antsika Ary hampiaro avy hatrany ity fampiofanana nomena antsika ity fa ho hotantsika fa asa mahavelona hoy A/toa Minisitra.
Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue
#FAMPIOFANANA #FIOMPIANA #TRONDRO
