Manomboka ny 24 Aogositra 2025 ka hatramin’ny 23 Oktobra 2025 izao no tanterahina any Egypte ny fiofanana mahakasika ny Formation sur le « DĂ©veloppement de l’Aquaculture Continentale pour la SĂ©curitĂ© Alimentaire et Nutritionnelle hoan’ireo firenena afrikanina ka ny faha 26 Aogositra 2025 teo tao amin’ny “Centre Egyptien International pour l’Agriculture” (EICA), izay iasan’ny #JICA Egypte no nanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy.
 Ity fiofanana ity dia mikendry ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahalalana eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny famokarana anaty rano an-tanety mba hiantohana ny eo amin’ny lafiny ara-tsakafo sy ny sakafo mahavelona ho an’ny mponina. Ankoatr’izay dia hikatsahana ny hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra sy ny fampitomboana ny vokatra eo amin’ny fiompiana trondro sy vokatra an-drano hafa izy io izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo aty Afrika.
 Firenena Afrikana miisa 10 no mandray anjara amin’ity fiofanana ity izay ahitana an’i Madagasikara, Ghana, Nigéria, Togo, Cameroun, Malawi, Somalie, Bénin, Tanzanie, ary ny firenena Mozambique.Ireo firenena ireo dia misolo tena ny faritra samihafa amin’ny kaontinanta, ary ny mpandray anjara avy amin’ireo firenena ireo dia ahitana manam-pahaizana, teknisianina, ary mpiasa eo amin’ny sehatry ny fampamokarana ny anaty rano izay vonona ny hizara sy hampihatra ny fahalalana azo mandritra ity fiofanana ity.
Ireo firenena Afrikana mpandray anjara amin’ity fofanana ity dia antenaina hanana fahaiza-manao vaovao sy tetikady mahomby hanatsarana ny sehatra voakasika ka hitondra fiovana tsara eo amin’ny sehatry ny sakafo sy ny fampandrosoana maharitra manerana ny kaontinanta.
