Ny tetikasa AMPIANA 3 sy ny mpiompy trondro ao Distrikan’Ankazobe dia miroso hatrany amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana mitohy. Ny faha 25 sy faha 26 Aogositra 2025 teo tao amin’ny distrikan’Ankazobe, kaominina Ankazobe sy Mangasoavina dia nisy ny fitsidihana ireo mpiompy trondro sy mpamokatra zana-trondro karpa izay niarahana tamin’ireo teknisianina avy ao amin’ny tetikasa AMPIANA 3.
Nandritra izany fitsidihana izany dia nanao ny jeritodika momba ireo zava-bita tao amin’ny distrika izy ireo izay nahitana zana-trondro miisa 2.758.648 eo no novokarina tao amin’ireo kaominina tafiditra ao anatin’ny tetikasa AMPIANA 3 nandritra ny taom-pamokarana 2024-2025.
Tombony lehibe ananan’ity distrika ity dia ny fisian’ny rano mandavan-taona na dia amin’ny ririnina aza satria tsy midina be loatra ny maripana. Izany no antony ahafahan’ny Distrikan’Ankazobe mampandroso ny sehatry ny fiompiana trondro amin’ny fomba maharitra sy mahomby.
Nohamafisina nandritra ny fitsidihana ny maha-zava-dehibe ny fitandroana ny tontolo iainana ka noentanina mafy ireo mpiompy trondro sy ny mponina ao an-toerana mba tsy handoro tanety intsony indrindra ny fomba fambolena nentin-drazana toy ny “tavy” satria manimba ny tontolo iainana sy ny loharanon-drano. Ho fanampin’izay dia nasaina hamboly hazo ireo mpiompy trondro mba hitazomana ny kalitaon’ny rano izay tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny fiompiana trondro.
