Tombontsoa maro no azon’ireo mponina manamorona ny farihin’alaotra ka isan’izany ny fisitrahana ireo hazandrano maro ao aminy.Mihena hatrany anefa izany vokatra izany ka nanohy hatrany ny ezaka izay efa nilofosany ny avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Alaotra Mangoro zay ratsamangaika ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB any antoerana ka nanao fanentanana narahina fampiofanana ireo mponina tao amin’ny Fkt Andreba Gara Kaominina Ambatosoratra ny faha 26 aogositra 2025 teo.
Niompana tamin’ny fomba fitantanana maharitra ny harena voajanahary ny fampiofanana noho ity toerana ity ho lasa UGL(Unité de Gestion Locale) hoan’ny drafi-panajariana ny Jono ao amin’ny farihin’alaotra atsy ho atsy.
Nohamafisina tamin’ny alalan’ny fandefasana horonantsary amin’ny fitenim-paritra any an-toerana izany ka nahatratra 220 ireo mpitrandraka ny harena anaty rano nanatrika izany.Nangataka fanomezan-tanana amin’ny paikady entina hanatsara ny fitrandrahana tamin’ny DRPEB izy ireo.
