Paikady apetraky ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ny fanomezana sehatra ny vehivavy hirotsaka amin’ny asa manga.Nisitraka fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro maimaimpoana ireo solontena 31 avy amin’ny fikambanam-behivavy ao amin’ny Kaominina Morarano Kraoma, Distrikan’Amparafaravola ny faha 26 aogositra 2025.
Izy ireo izay nahazo tosika avy amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina MPS sy ny Fiadidiana ny Repoblika ka ilaina ny fampiofanana mialoha ny hanatanterahana ny tetikasa.Nifarimbona nanao izany ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga# DRPEB Alaotra Mangoro# sy ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina DRPS any antoerana.
Resy lahatra ny rehetra taorian’ny fiofanana fa azo tanterahina tsara any an-toerana ny fiompiana trondro sady azo atao fotom-pivelomana.Ao anatin’ny famolavolana ny tetiandrom-piompiana mety amin’ny toetr’andro any an toerana ny eo anivon’ny DRPEB ankehitriny.
Antenaina fa hitombo ny vokatra trondro ao aorian’izao fampiofanana izao.
