Manodidina ny 282 ireo Tanora sy renim-pianakaviana Ary raim-pianakaviana Tonga nanatrika fampiofanana fiompiana trondro izay Notanterahina tato amin’ny « Chambre de commerce » Mahajanga Anio 28 Aogositra 2025.
         Hita taratra nandritra ny fiofanana avy hatrany fa maro be ireo Liana te hisehatra amin’ity fiompiana trondro ity noho izy asa mahavelona Ary azon’ny rehetra atao. Tanjona lehibe Ary vina hapetraky ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny #fanapariahana azy ity manerana an’i Madagasikara ahafahana manome #asa_sahaza ho an’ny Tanora , hiadiana amin’ny #Tsy_fanjarian_tsakafo fa indrindra #hiadiana amin’ny #fahantrana .
          Fampiofanana Feno toy ny karazan’ireo fiompiana trondro miisa 4 miaraka amin’ireo teknika rehetra fanamboarana azy , ireo tsara ho fantatra rehetra toy sakafo sns ary ny fanontaniana naraham-baliny no nomena ireo rehetra Tonga nanatrika . Irariana arak’izany fa hitombo ireo Tanora misehatra amin’ny fiompiana trondro Ary hiroborobo sy hamatsy ho an’ny Boeny manontolo.
           Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nanome ny fampiofanana Ary nohamafisiny fa Mbola Malalaka ny tsena Raha eto Madagasikara Raha ho an’ity sehatra iray ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *