05 taona i Dr ANDRIANJAFIMANANA Éric no nanomana azy ary nilona tao anatin’ny asa fikarohana mahakasika ny vokatra makamba . Natao izany nohon’ny fahatsapana fa mihena ny vokatra makamba raha ampitahaina amin’ny teo aloha.
Tanjona ny hanatsarana ny fomba fanjonoana makamba eto amintsika izay mahakasika ny jono vaventy sy ny jono madinika. Ohatra amin’izany ny fampiasana harato kely maso toy ny poteau, valakira, periky ary ny ramikaoko na kaokobe na tarikaky no isan’ny mampihena ilay vokatra ankehitriny raha toa ka ny fanjonoana matetika amin’ny toerana tsy miova izay ataon’ireo sambo vaventy ka mampiasa chalut no isan’ny mampihena izany.
Ilaina ny fanajana ny lalàna sy ny fenitra takiana mba tsy hahalany tamingana ny makamba. Ny Minisiteran’ny jono sy ny Toekarena manga ( #MPEB) Izay anisan’ny mahazo tombotsoa amin’izany dia manohana akaiky ny fakorahana toy izao izay ilaintsika hanatsarana ny fitantanana ireo harena voajanahary andranomasina eto amintsika.
Nandray anjara amin’ny maha Mpampianatra Mpikaroka azy ary manam-pahaizana manokana momba ny Jono sy ranomasina eto Afrika azy hitsara izao valim-pikarohana izao Atoa Minisitry ny Jono Sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert.
