Ho fanohizana ny asa notanterahin’ny tetikasa PADM (Tetikasa momba ny fampamokarana ny aty rano maharitra eto Madagasikara) izay teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB izay nifarana ny taona 2023 dia nivory niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB Matsiatra Ambony tao amin’ny biraon’ny tetikasa ASAM3F/GIZ ireo teknisiana miisa 12 misehatra amin’ny fiompiana trondro tany an-toerana ny faha 28 aogositra 2025 teo.
Vontoatin’ny fivoriana ny fanohizana ny asam-pandinihana sy famaritana ireo drafitrasa fiompiana trondro izay tokony Mbola hotohizana.
Teo ihany koa no namitinana ny asa rehetra notanterahin’ny DRPEB tao aorian’ny fifaranan’ny PADM.Nodinihina nandritra izany koa ny olana sedraina amin’ny fanapariahana ny teknikam-piompiana trondro manoloana ny tsy fahampian’ny teknisiana eny ifotony sy ny fanamafisana ny serasera sy ny fifandraisana eo amin’ny DRPEB miaraka amin’ny teknisianin’ireo vondron’ny tantsaha (OP,ONG, fikambanana, tetikasa ary ny fandaharana isankarazany).
Tanjona hisian’ny fandrindrana ny asa dia ny hampiroboroboana hatrany ny sehatry ny fihariana anaty rano ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony izay anisan’ny sangany amin’io sehatra io eto Madagasikara.
