Tamim-piravoravoana no nandraisan’ny vahoakan’ny Taranta an’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert sy ireo delegasionina miaraka aminy Anio 30 Aogositra 2025 . Anisan’ny niaraka taminy A/toa Governoran’ny Faritra Boeny , ny Tompon’andraikitra ao amin’ny Durrell izay mpitantsoroka ireo asa eto Soalala izay miara-miasa amin’ny MNP, ny solotenan’ireo mpanjono vaventy toy ny sogediproma, somapêche ,ny Apmf sns…
Nifampitafa mivantana tamin’ireo mpanjono eny an-toerana ny tenany nandritra ny fitsidihana, nanamafisany ny fanentanana amin’ny fanarahan-dalana toy ny tsy fampiasana ny moustiquaire amin’ny fanjonoana , ny fanajana ny fotoam-pikatonan’ny Jono sns , Hisy ihany koa ny fizarana fitaovam-panjonoana ho azy ireo.
Naneho ny hafaliany izy ireo satria hita sy tsapa fa tsy natao ambanin-javatra ny seham-piharin’izy ireo Ary mihaino hatrany ny feon’izy ireo ny eo anivon’ny fitondram-panjakana izay hisoloan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tena.
