Ny ESGN na ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena ao Moramanga dia manohy ny ezaka lehibe amin’ny fiompiana trondro mba ho fampiroboroboana ny fahaiza-manao sy ny fampandrosoana maharitra.Isan-taona ny ESGN Moramanga dia mandray mpianatra mpizatr’asa izay mianatra mandritra ny sivy volana. Ireo mpianatra ireo dia omena fiofanana feno momba ny teknika fiompiana trondro, manomboka amin’ny fanomanana ny dobo ka hatramin’ny fitantanana ny vokatra ka tonga nanao fitsidihana sy fanjohina ny toerana izany ny DRPEB Alaotra Mangoro ny faha 30 Aogositra 2025 teo.
 Ny fiofanana dia ahitana ny fandalinana ny drafitra sy ny teknika azo ampiharina, mifanaraka amin’ny tontolo iainana sy ny zava-misy eo an-toerana. Ankoatra izany, ny sekoly dia mampianatra ny fomba fanenjehana ny tetiandrom-piompiana, izay tena ilaina amin’ny fitantanana mahomby ny tetikasa fiompiana.
 Amin’izao fotoana izao, ny ESGN Moramanga dia mifantoka amin’ny fanaovana ny drafi-panajariana rehetra ilaina amin’ny fanamboarana dobo. Mandritra izany dia nisy ny fifanakalozan-kevitra lalina momba ny teknika azo ampiharina, mba hahazoana vokatra tsara . Ny fanajana ny tetiandrom-piompiana dia anisan’ny laharam-pahamehana, satria manampy amin’ny fametrahana ny dingana tsirairay amin’ny asa mba hiantohana ny fahombiazana.
 Ho fanampin’ny fiompiana trondro ny sekoly ihany koa dia mampiroborobo ny fambolena katsaka ho sakafon’ny trondro. Ity fomba fiasa mitambatra ity dia mampiseho ny fahaizan’ny ESGN Moramanga amin’ny fampifangaroana ny fambolena sy ny fiompiana ho tombontsoa iraisan’ny mpianatra sy ny fiarahamonina.
 Ny mpitantana ny ESGN Moramanga dia naneho ny hafaliany sy ny fahafahampony tamin’ny zava-bita. Nanamafy izy ireo ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany, mba hanamafisana ny fiantraikan’ny asa ataon’izy ireo eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *