Ny fampiasana ny malira na ireo harato misy ody moka dia Anisan’ny fahavalon’ny fanjonoana , Mbola misy mampiasa izany anefa Isika mpanjono ka izany indrindra no hanaovan’ny Ministera ezaka amin’ny fizarana ireo fampitaovana manaraka ny fenitra ho an’ny Mpanjono eraky Madagasikara .
Anisan’ny nisitraka izany ireo mpanjono eto Antrema Ambanjambe izay narahina fanentanana Mafonja avy amin’ny A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert izay fiaraha-miasa avy amin’ireo mpanjono vaventy ( somapêche,pecheexport , sogediproma) Teo ihany koa ny fanamafisana ny fotoam-pikatonan’ny Jono makamba izay manomboka ny 01 desambra hatramin’ny 01 Martsa eo ny drakaka izay manomboka ny 12 octobre – 12 Desambra sns ahafahana mametraka ny fanjonoana maharitra .
Ankoatr’izay dia miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka izay miaro ny ireo Faritra arovana na An-tanety na an-dranomasina ihany koa izy ireo anisan’izany ny Asity Madagasikara , Durell
Rehefa mizara miasa Isika dia handroso i Madagasikara, Ary ho kitro hifaharan’ny fampandrosoana ity seham-pihariana ity hoy A/toa Minisitra Ary Anisan’ny nanotrona azy hatrany ny Governoran’ny Faritra Boeny.
