Ny rohivoahary voakajy sy voaaro no afaka mamokatra hazandrano maro sy salama.Nisy araka izany ny fanofanana sy fitantanana ireo polisindrano ao anatin’ny VOI AINA ao amin’ny kaominina Madiromirafy, Distrikan’i Maevatanana ny faha 26 sy 29 aogositra 2025 teo.
Ny ekipan’ny Ivo-toerana miandraikitra ny Fanaraha-maso ny Jono( CSP) eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB no nampiofana azy ireo mikasika ny fomba fiasa tokony hatao sy ny fepetra tokony harahina eo ampanatanterahana ny asa araka ny bokin’andraikitra sy ny DINA ifampifehezana eny ifotony. Nanotrona azy ireo tamin’izany ny Ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Manga # DRPEB # Betsiboka niaraka tamin’ny Fkt, ny Kaominina ary ny ekipan’ny Zandarmariam-pirenena izay miara-miasa akaiky amin’ireo VOI ireo.Ny tantsoroka avy amin’ny « Impact Madagascar » no nahafahana nanao izao fampiofanana izao.
Tanjona ny hanenana ny tsy fanarahan-dalana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana sy ireo ,tsindry mihatra amin’ny ireoharena anaty rano ao an-toerana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *